Nisy vehivavy anankiray vadin’ny iray amin’ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin’i Elisea, nanao hoe: «Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa natahotra an’i Iaveh ny mpanomponao ary tonga haka ny zanako roa ho andevony ny tompon-trosa izao.»
Zakaria 11:5 - Baiboly Katolika izay vonoin’ny mpividy azy ka tsy misy mpiaro, ary ataon’ny mpivarotra azy hoe: ‹Hisaorana anie i Iaveh fa mitombo harena aho!› Ary ny mpiandry tsy mitsimbina azy akory. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo mpividy azy dia mamono azy, nefa tsy mahatsiaro-tena ho meloka akory izy amin’izany; ary ny mpivarotra azy dia miteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO fa manankarena aho! Ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy. DIEM PROTESTANTA Fa ny mpividy mamono azy dia tsy mihevi-tena ho meloka; ary ny mpivarotra azy kosa manao hoe: «Hisaorana anie ny Tompo fa manan-karena izahay!» Ary na dia ireo mpiandry azy aza tsy mba niantra azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ny mpividy mamono azy dia tsy mihevi-tena ho meloka; ary ny mpivarotra azy kosa manao hoe: «Hisaorana anie ny Tompo fa manan-karena izahay!» Ary na dia ireo mpiandry azy aza tsy mba niantra azy. Baiboly Protestanta Malagasy dia ireo vonoin’ny tompony, nefa tsy ananany heloka; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy. Malagasy Bible dia ireo vonoin'ny tompony nefa tsy ananany heloka; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy La Bible en Malgache Ireo mpividy azy dia mamono azy, nefa tsy mahatsiaro-tena ho meloka akory izy amin’izany; ary ny mpivarotra azy dia miteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO fa manankarena aho! Ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy. |
Nisy vehivavy anankiray vadin’ny iray amin’ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin’i Elisea, nanao hoe: «Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa natahotra an’i Iaveh ny mpanomponao ary tonga haka ny zanako roa ho andevony ny tompon-trosa izao.»
dia nilaza taminy hoe: «Izahay nanavotra ny Jody rahalahintsika namidy tamin’ny firenena araka ny anananay, ka ianareo kosa ve, hivarotra ny rahalahinareo, sady hivarotra azy aminay!» Gina tsy nahita havaly izy ireo.
Fahizany i Israely dia ilay zavatra voatokana ho an’i Iaveh, dia ilay voaloham-bokany, ka izay nihinana taminy, dia nahazo heloka, ka nozoin-doza, - teny marin’i Iaveh. -
Izay nahita azy ireo, nihinana azy avokoa; ka hoy ny fahavalony: «Tsy meloka isika! satria izy ireo efa nanota tamin’i Iaveh, ilay fonenan’ny fahamarinana; tamin’i Iaveh, ilay fanantenan’ny razany.»
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro ho avy any amin’ny mpiandry ondry Aho; hotadiaviko ao amin’ny tanany ny ondriko, ary tsy hisy ondry havelako handrasany intsony; ary ny mpiandry tsy hamahana ny tenany intsony; hotsoahiko eny am-bavany ny ondriko, ka tsy ho remby ho azony hanina intsony.
satria ianareo nanosika tamin’ny tehezanareo aman-tsorokareo, sady nanoto ny ondry osa rehetra tamin’ny tandrokareo, mandra-pandronjinareo azy ho any ivelany:
Mirenireny eny an-tendrombohitra rehetra eny, ny ondriko, sy eny an-kavoana milangalanga rehetra eny; tafaely any amin’ny tany rehetra ny ondriko, nefa tsy ahin’ny olona akory, na mba misy lasa nitady azy.
I Efraima nanao hoe: Mba nihary harena ihany aho anefa, ka nahazo fananana be aho; ary amin’izay azoko rehetra, dia tsy ho hita amiko izay famonoana antoka azo atao ho fahotana.
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Israely - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria namidiny vola ny marina; ary ny mahantra koa noho ny kapa iray lomisy;
Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.
«Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika any an-kafa, dia mpangalatra sy jiolahy;
Fa horoahiny amin’ny sinagoga ianareo ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an’Andriamanitra.
Hataony varotra amin’ny teny manodòka ianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato.
dia ny havozomamy, zava-manitra, menaka manitra, emboka manitra, divay, diloilo, lafarina tsara indrindra, varimbazaha, biby manompo, ondry, soavaly, kalesy, ary ny tena aman’ain’olona. -
Ianao mihambo hoe: mpanan-karena aho, hahazo fananam-be, tsy manan-java-mahory aho; fadiranovana, mahantra, jamba, ary mitanjaka aza.