Zakaria 11:10 - Baiboly Katolika Nalaiko ilay tehiko Fahasoavana, dia notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena nataoko tamin’ny firenena rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin’ny firenena rehetra. DIEM PROTESTANTA Dia noraisiko ilay tehiko hoe «fihavanana» ka notapahiko mba hahafoana ny fanekempihavanana izay efa nataon’ny Tompo tamin’ny firenen-drehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia noraisiko ilay tehiko hoe «fihavanana» ka notapahiko mba hahafoana ny fanekempihavanana izay efa nataon’ny Tompo tamin’ny firenen-drehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin’ny firenena rehetra. Malagasy Bible Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin'ny firenena rehetra. La Bible en Malgache Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin’ny firenena rehetra. |
Ho aminay anie ny fanambinan’i Iaveh, Andriamanitray! Hamafiso aminay ny asan’ny tananay; eny, hamafiso ny asan’ny tananay!
Noho ny Anaranao, aza dia atao tsinontsinona, aza dia hamavoina ny seza fiandrianan’ny voninahitrao. Tsarovy fa aza tsoahana ny fanekenao taminay.
Lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina, ilay reharehan’ny herinareo, fifalian’ny masonareo, fitiavan’ny fanahinareo; ary ho lavon-tsabatra ny zanaka lahinareo aman-janaka vavinareo, izay nilaozanareo.
Dia hoy i Iaveh tamin’i Osea: «Ataovy hoe Lô-Amì ny anarany, fa ianareo tsy vahoakako, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.»
Dia nilatsaka ho mpiandry ireo ondry natao famono aho, mbamin’ireo mahantra indrindra amin’ny andiany. Naka tehim-piandrasana roa aho, ka ny iray nataoko hoe i Fahasoavana; ary ny iray nataoko hoe i Kofehy; dia nandrasako ny ondry.
Araka ny efapolo andro nisafoanareo ny tany - fa soloana taona iray ny andro iray, no hivesaranareo efapolo taona ny hadisoanareo, ka dia ho hitanareo izany hoe fihatahako aminareo.
Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity ambara-pahatongan’izany rehetra izany.
Noho izany, izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Fa efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy i Iaveh. Fa izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa.