Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 11:1 - Baiboly Katolika

Vohay ny vavahadinareo, ry Libàna, ary koa ho levon’ny afo ny sederanao!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô, handevonan’ny afo ny sederanao!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Vohay ny varavaranao, ry Libano ô! ary aoka ny afo handevona ny sederanao!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Vohay ny varavaranao, ry Libano ô! ary aoka ny afo handevona ny sederanao!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

VOHAY ny varavaranao, ry Libanona ô! Handevonan’ny afo ny sederanao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô! Handevonan'ny afo ny sederanao

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô, handevonan’ny afo ny sederanao!

Jereo ny toko



Zakaria 11:1
14 Rohy Ifampitohizana  

Ianao izay mitoetra any Libàna, sy manao ny akaninao any amin’ny sedera, endrey izany fitarainanao, rehefa tratry ny fanaintainana ianao, fifanintontsintonan’ny tena toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza!


Indro fa i Asora dia hazo sedera any Libàna, tsara rantsana, be alokaloka, avo vatana, ary mitehika amin’ny rahona ny tendrony.


Fa hitsingerina aminao ny fahasiahana namelezana an’i Libàna mbamin’ny fandringanana ny biby raiki-tahotra mahatsiravina, noho ny ran’olona nalatsaka, sy ny loza natao tamin’ny tany, na tamin’ny tanàna na tamin’ny mponina rehetra ao aminy.


Noho ianao namabo firenena maro, dia mba hobaboin’ny firenena sisa rehetra kosa, noho ny ran’olona nalatsaka, sy ny fandozàna natao tamin’ny tany, na tamin’ny tanàna, na tamin’ny mponina rehetra ao aminy.


Mandehana any an-tendrombohitra ka mitondrà hazo, ary ataovy ny trano; hankasitrahiko sy hahazoako voninahitra izany, hoy i Iaveh.


Hampodiko avy any amin’ny tany Ejipta izy ireo, sy hangoniko avy any Asiria, dia hoentiko ho ao amin’ny tany Galaada sy Libàna ka tsy ho omby azy ny tany.


Midradradradrà, ry sipresa, fa lavo ny sedera, voasimba ny hazo tsara mahagaga. Midradradradrà, ry oaka ao Basàna, fa ripaka ny ala mikirindro!


Amin’izany andro izany, ireo filohan’i Jodà, hataoko toy ny fatana mivaivay ao amin’ny hazo, toy ny fanilo mirehitra, ao anaty amboaram-bary, ka handevona ny firenena rehetra manodidina eo amin’ny ankavanana sy eo amin’ny ankavia, ary i Jerosalema dia mbola ho eo amin’ny fitoerana ao Jerosalema ihany.


Fa nirehitra ny afon’ny fahatezerako, ka mandoro ny fonenan’ny maty hatrany amin’ny faran’ny ambany, mandevona ny tany amam-bokatra eo aminy, mandrehitra ny tendrombohitra hatramin’ny fotony.