Tôbita 7:11 - Baiboly Katolika Nivadika ny fon-dRagoela nandre izany teny izany, satria fantany ny nanjò azy fito lahy vadin’io, izay nanatona azy, ka raiki-panahiana sahady izy, fandrao dia idiran-doza toy izany koa ity. Mbola tao anatin’izany fisalasalana izany izy, ka mbola tsy namaly ny fangatahan’i Tobia, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara lehilahy fito anisan’ireo Israelita havantsika no efa nifandimby nomeko azy ho vady, saingy maty avokoa izy rehetra tamin’ny alina fampakarana, iny ireo hanatona an’i Sarà iny. Izao aloha ianao, anaka, dia mihinàna sy misotroa; ny Tompo kosa no hiasa hanambina anareo. |