Tôbita 6:17 - Baiboly Katolika Dia izay miditra amin’ny fanambadiana, nefa mamoaka an’Andriamanitra hiala ao am-pony sy ao an-tsainy mba hanarana ny filan’ny nofony, toy ny soavaly ama-mole tsy manan-tsaina; ireny no ananan’ny demony fahefana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa, vantany vao tafiditra ao amin’ny efitra fampakarana ianao, dia makà sombin’ilay fo aman’aferon-trondro ka ataovy eo ambonin’ny vainafo fandoroana ditin-kazo manitra. Hihanaka ny fofon’io fo aman’aferon-trondro may io, ka rehefa hamboloin’ny demony, dia hampandositra azy. Tsy ho hita mihaodihaody manodidina an’ilay tovovavy intsony izany demony izany. |