Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

Tôbita 6:18 - Baiboly Katolika

18 Fa ianao kosa, rehefa manambady azy, dia midira ao an’efitrano, ary miaraha-mitoetra aminy amim-pahadiovana mandritra ny hateloana, ka aza mihevitra na inona na inona, afa-tsy ny fiaraha-mivavaka aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Rehefa tonga ny fotoana hiraisanao amin’i Sarà, dia mitsangàna aloha ianareo roa hivavaka sy hitalaho amin’ilay Tompon’ny lanitra mba hamindrany fo aminareo sy hiarovany anareo. Aoka izay ny tahotra! Ianao manko no nanokanana an’i Sarà hatrizay hatrizay ary ianao mihitsy no hanafaka azy. Handeha hiaraka aminao izy ary azoko antoka fa hanananao zaza izay holalainao fatratra. Koa aza manahy!

Jereo ny toko dika mitovy




Tôbita 6:18
0 Rohy Ifampitohizana  

Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra