Tôbita 5:14 - Baiboly Katolika Raha efa izany dia hoy i Tobia taminy: «Mba azonao atao indrindra va ny hitarika ny zanako ho any amin’i Gabelosa, any Ragesa, tanànan’ny Meda? Fa rehefa tafaverina ianao dia homeko ny karamanao.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Tôbita taminy: –Rarîna ho finaritra soa aman-tsara hatrany ianao, rahavako. Aza tezitra amiko ianao raha naniry hahafantatra ny marina momba ny fianakavianao aho. Miharihary fa mpiray firenena amiko ianao; ary mahafatra-po tokoa ny tarika nipoiranao. Fantatro i Hananià sy i Natàna izay samy zanakalahin’i Semelià ilay natao hoe Malaza. Fahiny dia izy roa lahy no niara-dia tamiko tany Jerosalema ary niaraka tamiko tao nitsaoka an’Andriamanitra. Tsy mba naniasia izy mirahalahy fa olona nahafatra-po; ka tsara fototra ianao. Rarîna ho finaritra hatrany ianao! |