Tôbita 1:7 - Baiboly Katolika Nozarainy, isan-telo-taona, tamin’ny prôselita sy tamin’ireo hafa firenena ny fahafolon-karenany rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nomeko ny mpisorona taranak’i Aharôna izany mba hoentiny eo amin’ny alitara fisoronana. Nanefako fahafolon-karena koa ny vary, ny divay, ny ôliva, ny ampongabendanitra, ny aviavy ary ny voankazo hafa rehetra ka nomeko ny levita izay nanao fanompoana tao Jerosalema. Namidiko ny ampahafolony fanindroany tamin’ny fananako, araka ny fanao mandritra ny enina taona ao anatin’ny fito, ary nolanîko isan-taona tany Jerosalema ny vola azo. |