Tôbita 1:6 - Baiboly Katolika Nankany Jerosalema amin’ny tempolin’ny Tompo izy, niankohoka tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely, ary nanolotra tsy tapaka, ny voaloham-bokany sy ny fahafolon’ny fananany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izaho kosa matetika dia nandeha samirery tany Jerosalema tamin’ireo andro fety, araka izay voasoratra ho fitsipika raikitra ho an’i Israely manontolo. Nidodododo nankany Jerosalema aho nitondra ny voaloham-bokatra sy ny voalohan-teraky ny biby fiompiko ary ny volon’ondry tamin’ny fanetezana azy voalohany. |