Tôbita 1:21 - Baiboly Katolika Fa tamin’ilay Senakeriba mpanjaka nandositra avy tany Jodea, nony efa voan’ny faharesena namelezan’Andriamanitra azy, noho ny teny fanevatevana nataony, dia nisafoaky ny hatezerana izy, ka maro be tamin’ny zanak’i Israely no nasainy novonoina ho faty; ary i Tobia no nandevina ny fatin’ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy ampy efapolo andro taorian’izany, dia novonoin’ireo zanany roa lahy ho faty ny mpanjaka; avy eo izy roa lahy no nandositra tany amin’ny tendrombohitra Ararata. Dia i Asaradiana, anankiray hafa tamin’ireo zanakalahin’i Saneheriba, no tonga mpanjaka nandimby azy. I Ahikara, zanakalahin’i Anaela rahalahiko, no nampiandraiketin’i Asaradôna ny fitondrana manontolo sy ny fitantanana ara-bola tao amin’ny fanjakany. |