Tôbita 1:18 - Baiboly Katolika Tatỳ aoriana ela, nony efa maty i Salmanazara mpanjaka, dia i Senakeriba zanany no nanjaka nandimby azy. Nankahala fatratra ny zanak’i Israely io mpanjaka io, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Naleviko ihany koa ireo novonoin’i Saneheriba ho faty. Tany Jodea manko io mpanjaka io dia naniratsira an’ilay Andriamanitra mpanjakan’ny lanitra; ka ho famaizana azy no naneren’Andriamanitra azy hiala faingana tamin’io tany io. Saingy, rehefa tafaverina tao Ninive izy, dia nentanim-pahatezerana ka namono nahafaty Israelita maro. Dia izaho no nitondra an-tsokosoko ny fatin’ireo, ka nandevina azy. Nasain’i Saneheriba nokarohina ireny faty ireny, fa tsy nety hita. |