Noho izany, izao kosa no lazain’ny Tompo Iaveh: «Indro aho efa nametraka vato ho fanorenana ao Siôna dia vato voatsapa toetra, fehizoro, sarobidy, voaorina mafy: izay miankina aminy amim-pinoana, tsy mba handositra.
Rota 3:18 - Baiboly Katolika Ka hoy i Nôemì: «Mijanòna eto, anaka, mandra-pahitanao izay hiafaran’izany, fa tsy hianina io lehilahy io raha tsy efa vitany anio io raharaha io.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Naomy: Mitoera ihany anaka, mandra-pahafantatrao izay hiafaran’ny raharaha; fa tsy hijanona Ralehilahy raha tsy vitainy anio ihany izany. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Nahômỳ hoe: –Mipetraha eto, anaka, mandra-pahafantaranao izay hiafaran’ny raharaha; satria tsy hijanona i Bôhaza, raha tsy vitany anio ihany ny raharaha. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Nahômỳ hoe: –Mipetraha eto, anaka, mandra-pahafantaranao izay hiafaran’ny raharaha; satria tsy hijanona i Bôhaza, raha tsy vitany anio ihany ny raharaha. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan’ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha. Malagasy Bible Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan'ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha. La Bible en Malgache Dia hoy i Naomy: Mitoera ihany anaka, mandra-pahafantatrao izay hiafaran’ny raharaha; fa tsy hijanona Ralehilahy raha tsy vitainy anio ihany izany. |
Noho izany, izao kosa no lazain’ny Tompo Iaveh: «Indro aho efa nametraka vato ho fanorenana ao Siôna dia vato voatsapa toetra, fehizoro, sarobidy, voaorina mafy: izay miankina aminy amim-pinoana, tsy mba handositra.
Ho zava-poana sy tsinontsinona ny vonjin’i Ejipta; izany no iantsoako azy hoe: Ilay be rehaka mipetra-poana.
«Ary nomeny ity orja inenin’ny famarana ity koa aho, hoy izy, nataony hoe: Tsy hody any amin-drafozanao mitondra tanam-polo fotsiny ianao».
Niakatra teo am-bavahadin’ny tanàna i Booza ka nipetraka tao. Ary ity tamy handalo eo ilay anankiray mahazo manavotra voalazan’i Booza, ka hoy izy taminy: «O Ranona irỳ ô, mijanòna kely, mipetraha eto.» Dia nijanona ilay lehilahy sady nipetraka.