Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Rota 3:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Dia hoy i Nahômỳ hoe: –Mipetraha eto, anaka, mandra-pahafantaranao izay hiafaran’ny raharaha; satria tsy hijanona i Bôhaza, raha tsy vitany anio ihany ny raharaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Dia hoy i Naomy: Mitoera ihany anaka, mandra-pahafantatrao izay hiafaran’ny raharaha; fa tsy hijanona Ralehilahy raha tsy vitainy anio ihany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Dia hoy i Nahômỳ hoe: –Mipetraha eto, anaka, mandra-pahafantaranao izay hiafaran’ny raharaha; satria tsy hijanona i Bôhaza, raha tsy vitany anio ihany ny raharaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ka hoy i Nôemì: «Mijanòna eto, anaka, mandra-pahitanao izay hiafaran’izany, fa tsy hianina io lehilahy io raha tsy efa vitany anio io raharaha io.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan’ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan'ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 3:18
5 Rohy Ifampitohizana  

Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Indro Aho hametraka vato iray ao Tsiôna mba hizahan-toetra anareo, dia vato fehizoro sarobidy natao ho fanorenana mafy; ka izay matoky azy tsy hihontsina.


Tsinontsinona sy zava-poana ny famonjen’i Ejipta; koa izany no iantsoako azy hoe: «Ilay be rehaka tsy mahavita na inona na inona».


sady niteny koa izy hoe: –Nomeny ireto vary ôrza 15 kilao ireto aho, fa hoy izy tamiko: «Aza miverina mitondra tanam-polo mody fotsiny any amin’ny rafozambavinao!»


Dia niakatra ho eo am-bavahadin’ny tanàna toerana fandaminan-draharaha i Bôhaza, ka nipetraka teo. Ary indro nandalo ilay havana mahavotra voalazan’i Bôhaza, ka nantsoiny hoe: –Avia kely ianao, ranona, mipetraha eto. Dia nanatona izy, ary nipetraka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra