Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 3:15 - Baiboly Katolika

Ary hoy kosa izy: «Ento atỳ ny lamba itafianao ka hazony.» Dia nohazoniny ka namatra orja inenin’ny famarana sy nampitondrainy azy, vao lasa niverina any an-tanàna izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy koa izy: Ento atỳ ny lamba itafianao ka hazòny. Ary rehefa nataony izany dia namatra varimbazaha inenin’ny famarana i Boaza ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna i Boaza.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka hoy izy tamin’i Rota: –Ento etỳ iny lamba itafianao iny, ary hazony tsara. Rehefa nataony izany, dia nofenoin’i Bôhaza vary ôrza 15 kilao ka nampitondrainy azy. Dia lasa nody tany an-tanàna i Rota;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka hoy izy tamin’i Rota: –Ento etỳ iny lamba itafianao iny, ary hazony tsara. Rehefa nataony izany, dia nofenoin’i Bôhaza vary ôrza 15 kilao ka nampitondrainy azy. Dia lasa nody tany an-tanàna i Rota;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy koa izy: Ento etỳ ny lamba itafianao, ka hazony izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin’ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna Boaza.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy koa izy: Ento etỳ ny lamba itafianao, ka hazòny izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin'ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna Boaza.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy koa izy: Ento atỳ ny lamba itafianao ka hazòny. Ary rehefa nataony izany dia namatra varimbazaha inenin’ny famarana i Boaza ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna i Boaza.

Jereo ny toko



Rota 3:15
5 Rohy Ifampitohizana  

ny fitaratra aman’akanjo moselinina, ny lamba fehiloha amam-boaly fisaronana.


Fa ny andriana manan-kevitra mendrika andriana, sy hitsangan-kanao asa mendrika andriana.


Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny havana rehetra iray finoana.


Dia nijanona nandry teo an-tongony teo izy mandra-paharainan’ny andro, ary nifoha mbola maizimaizina tsy hahafantaran-dahy, fa hoy i Booza: «Aoka tsy ho fantatr’olona akory fa tatỳ am-pamoloana ity vehivavy ity.»


Nony tonga tany amin-drafozany i Rota, dia hoy i Nôemì: «Inona no nataonao, anaka?» Dia notantarainy taminy avokoa ny nataon-dralehilahy taminy.