Aleo laza soa, toy izy hanitra soa; ary aleo ny andro ahafatesana, toy izay ny andro ahaterahana.
Rota 3:14 - Baiboly Katolika Dia nijanona nandry teo an-tongony teo izy mandra-paharainan’ny andro, ary nifoha mbola maizimaizina tsy hahafantaran-dahy, fa hoy i Booza: «Aoka tsy ho fantatr’olona akory fa tatỳ am-pamoloana ity vehivavy ity.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandry teo an-tongony mandra-paharain’ny andro i Rota, ary nifoha raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ifankahalalana iny. Fa hoy Ralehilahy: Aza avela ho fantatr’olona fa tatỳ am-pamoloana Ravehivavy! DIEM PROTESTANTA Dia natory teo an-tongotr’i Bôhaza ambara-paharainan’ny andro i Rota, kanefa nifoha raha mbola maizimaizina tsy ahafantaran’olona iny. I Bôhaza manko nanao anakampo hoe: «Tsy tokony hisy hahalala fa tonga tatỳ am-pamoloana ravehivavy!»; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia natory teo an-tongotr’i Bôhaza ambara-paharainan’ny andro i Rota, kanefa nifoha raha mbola maizimaizina tsy ahafantaran’olona iny. I Bôhaza manko nanao anakampo hoe: «Tsy tokony hisy hahalala fa tonga tatỳ am-pamoloana ravehivavy!»; Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain’ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr’olona fa tatỳ am-pamoloana ravehivavy. Malagasy Bible Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain'ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr'olona fa tatỳ am-pamoloana ravehivavy. La Bible en Malgache Dia nandry teo an-tongony mandra-paharain’ny andro i Rota, ary nifoha raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ifankahalalana iny. Fa hoy Ralehilahy: Aza avela ho fantatr’olona fa tatỳ am-pamoloana Ravehivavy! |
Aleo laza soa, toy izy hanitra soa; ary aleo ny andro ahafatesana, toy izay ny andro ahaterahana.
Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa.
satria tsy ny soa eo imason’Andriamanitra ihany no kendrenay, fa ny soa eo imason’ny olombelona koa.
Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan’ny Jentily, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiana, rehefa hitany ny asa soa ataonareo, na dia amin’ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza.
Ary hoy kosa izy: «Ento atỳ ny lamba itafianao ka hazony.» Dia nohazoniny ka namatra orja inenin’ny famarana sy nampitondrainy azy, vao lasa niverina any an-tanàna izy.