Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 2:9 - Baiboly Katolika

Jereo izay tanimbary hojinjaina ka manaraha eo aorian’ireo. Efa nolazaiko ny mpanompoko tsy hikasika anao. Ary raha mangetaheta ianao, mandehana eo amin’ny siny dia misotroa amin’izay nantsakain’ny mpanompo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Aoka ho amin’ny tanimbary izay ijinjany ny masonao ka mandehana ao aorianany ianao: Tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin’ny siny ka misotroa amin’izay nantsakain’ny zatovo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Jereo tsara ny tanimbary izay jinjain’ny mpanompoko, dia miaraha amin’ireo vehivavy mpitsimpona salohim-bary. Moa tsy efa nandidy ireo mpanompoko ve aho mba tsy hikasi-tanana anao akory? Ary rehefa mangetaheta ianao, dia mandehana misotro rano amin’ireo siny izay efa nofenoin’ireo mpanompoko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Jereo tsara ny tanimbary izay jinjain’ny mpanompoko, dia miaraha amin’ireo vehivavy mpitsimpona salohim-bary. Moa tsy efa nandidy ireo mpanompoko ve aho mba tsy hikasi-tanana anao akory? Ary rehefa mangetaheta ianao, dia mandehana misotro rano amin’ireo siny izay efa nofenoin’ireo mpanompoko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Aoka ny masonao ho amin’ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany hianao: tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta hianao, mankanesa eroa amin’ny siny, ka misotroa amin’izay antsakain’ny zatovo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Aoka ny masonao ho amin'ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany ianao: tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin'ny siny, ka misotroa amin'izay antsakain'ny zatovo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Aoka ho amin’ny tanimbary izay ijinjany ny masonao ka mandehana ao aorianany ianao: Tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin’ny siny ka misotroa amin’izay nantsakain’ny zatovo.

Jereo ny toko



Rota 2:9
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy Andriamanitra taminy tamin’ny nofy: «Izaho koa mahalala fa fo mahitsy no nanaovanao izany; izay no niarovako anao tsy hanota amiko. Ka tsy navelako hikasika azy ianao.


Ianareo sakaizako ahay, no mba mamindrà fo, mamindrà fo amiko, fa nasian’ny tanan’Andriamanitra aho ity!


Aza mikasika an’ireo voahosotro, ary aza manisy ratsy an’ireo mpaminaniko.


Toy izany izay mankamin’ny vadin’ny namany: rehefa mikasika azy izy tsy maintsy hitondra faisana.


ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.


Ny amin’ireo zavatra nosoratanareo tamiko, dia tsara raha tsy mikasi-behivavy ny lehilahy.


Fantatsika fa izay rehetra nateraka avy amin’Andriamanitra dia tsy manota; fa miaro tena izay nateraka avy amin’Andriamanitra, ka tsy mikasika azy ilay Ratsy.


Tamin’izay dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin’ny tany, ka nanao taminy hoe: «Inona no mba nahitako fitia teo imasonao, ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny?»


Dia hoy i Booza tamin’i Rota: «Izao no izy, anaka: Aza mandeha hitsimpona any amin’ny tanimbary hafa, aza miala eto, fa mijanòna toy izao miaraka amin’ny ankizy vaviko.