Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 2:19 - Baiboly Katolika

Dia hoy ny rafozany taminy: «Taiza no nitsimpona ianao androany ary taiza no niasa? Hambinina anie izay nangoraka anao!» Nambaran’i Rota tamin’ny rafozany izay olona niasany nataony hoe: «Tany amin’ny lehilahy atao hoe Booza no niasa aho androany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy ny rafozambaviny taminy: Taiza no nitsimponanao androany ary taiza no niasanao? Hotahìna anie izay nitsinjo anao! Dia nambarany tamin’ny rafozambaviny ny olona izay niasany ka hoy izy: Boaza no anaran’ny lehilahy izay tompon’ny tanimbary nitsimponako androany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy ny rafozambaviny taminy: –Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza ho aiza no niasanao? Hotahin’Andriamanitra anie ilay olona nitsinjo anao! Dia notantarain’i Rota tamin’ny rafozambaviny izay toerana sy olona niasany, ka hoy izy hoe: –I Bôhaza no anaran’ilay lehilahy niasako androany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy ny rafozambaviny taminy: –Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza ho aiza no niasanao? Hotahin’Andriamanitra anie ilay olona nitsinjo anao! Dia notantarain’i Rota tamin’ny rafozambaviny izay toerana sy olona niasany, ka hoy izy hoe: –I Bôhaza no anaran’ilay lehilahy niasako androany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy ny rafozani-vavy taminy: Taiza no nitsimponanao andro-any, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin’ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany, ka hoy izy: Boaza no anaran’ny lehilahy, izay tompon’ny tanimbary nitsimponako andro-any.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin'ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran'ny lehilahy, izay tompon'ny tanimbary nitsimponako androany

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy ny rafozambaviny taminy: Taiza no nitsimponanao androany ary taiza no niasanao? Hotahìna anie izay nitsinjo anao! Dia nambarany tamin’ny rafozambaviny ny olona izay niasany ka hoy izy: Boaza no anaran’ny lehilahy izay tompon’ny tanimbary nitsimponako androany.

Jereo ny toko



Rota 2:19
6 Rohy Ifampitohizana  

Natsangany ny andry tamin’ny trano hevan’ny tempoly, ka natsangany ny andry teo ankavanana, ka nataony hoe Jakîna; dia natsangany ny andry teo ankavia, ka nataony hoe Bôaza.


Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.


Sambatra ny miahy ny mahantra, fa hovonjen’i Iaveh amin’ny andro fahoriana izy.


Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Fihirana.


Tamin’izay dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin’ny tany, ka nanao taminy hoe: «Inona no mba nahitako fitia teo imasonao, ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny?»