Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 1:11 - Baiboly Katolika

Fa hoy i Nôemì: «Modia, anaka, ahoana no hiarahanareo amiko? Mbola misy zazalahy mety ho vadinareo va ato an-kiboko?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy i Naomy: Mandehana miverena, anaka! Nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa novalian’i Nahômỳ hoe: –Modia, rey anaka; nahoana no handeha hiaraka amiko ianareo? Moa ve aho mbola hiteraka zazalahy hanjary vady ho anareo?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa novalian’i Nahômỳ hoe: –Modia, rey anaka; nahoana no handeha hiaraka amiko ianareo? Moa ve aho mbola hiteraka zazalahy hanjary vady ho anareo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa hoy Naomy: Miverena ihany hianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko hianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa hoy Naomy: Miverena ihany ianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy i Naomy: Mandehana miverena, anaka! Nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo?

Jereo ny toko



Rota 1:11
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Jodà tamin’i Tamara, vinantovaviny: «Mitoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben’i Selà, zanako lahy.» Fa hoy izy anakam-po: «Tsy tokony ho faty toa an’ireo rahalahiny koa izy.» Dia nandeha i Tamara, ka nitoetra tany an-tranon-drainy.


Fantatr’i Onàna anefa fa tsy taranaka ho azy izany, ka nony nandeha tamin’ity vadin-drahalahiny izy, dia nandoto tena teo ivelany tamin’ny tany mba tsy hampahazo taranaka ny rahalahiny.


«Raha misy mpirahalahy miara-monina, maty momba ny iray aminy, dia aoka ny vadin’ny maty tsy hanambady vahiny any ivelany fa ny rahalahin’ny vadiny ihany no aoka handeha hanatona azy hanambady azy, sy hitondra loloha azy.


Ary hoy izy taminy hoe: «Tsia, fa hiara-miverina aminao ho any amin’ny firenenao izahay.»


Mandehana mody, anaka. Efa antitra aho ka tsy hanambady intsony. Ary na dia hilaza aho fa manantena ihany, na dia hanam-bady anio alina ihany sy hiteraka zazalahy aza,