Angamba hijery ny fahoriako i Iaveh ka soa no hataon’i Iaveh amiko ho valin’izao ozona androany izao.»
Obadia 1:13 - Baiboly Katolika Aza miditra ny vavahadin’ny vahoakako, amin’ny andro ahitany loza; aza faly mijery ny fahoriany koa ianao, amin’ny andro ahitany loza; ary aza maninji-tanana haka ny fananany, amin’ny andro ahitany loza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza miditra amin’ny vavahadin’ny oloko ianao amin’ny andro ahitany loza; aza finaritra mijery ny fahantrany ianao amin’ny andro ahitany loza; aza manatsotra tanana haka ny fananany ianao amin’ny andro ahitany loza. DIEM PROTESTANTA tsy tokony ho niditra ilay tanànan’ny vahoakako ianao tamin’ny andro nandravana azy; tsy tokony ho finaritra nijery ny fahantràny ianao tamin’ny andro nandravana azy; ary tsy tokony ho naninji-tanana haka ny fananany ianao tamin’ny andro nandravana azy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara tsy tokony ho niditra ilay tanànan’ny vahoakako ianao tamin’ny andro nandravana azy; tsy tokony ho finaritra nijery ny fahantràny ianao tamin’ny andro nandravana azy; ary tsy tokony ho naninji-tanana haka ny fananany ianao tamin’ny andro nandravana azy; Baiboly Protestanta Malagasy Aza miditra amin’ny vavahadin’ny oloko amin’ny andro ahitany loza; Aza finaritra mijery ny fahantrany amin’ny andro ahitany loza hianao, Ary aza maninji-tànana haka ny fananany amin’ny andro ahitany loza. Malagasy Bible Aza miditra amin'ny vavahadin'ny oloko amin'ny andro ahitany loza; Aza finaritra mijery ny fahantrany amin'ny andro ahitany loza ianao, Ary aza maninji-tàna haka ny fananany amin'ny andro ahitany loza La Bible en Malgache Aza miditra amin’ny vavahadin’ny oloko ianao amin’ny andro ahitany loza; aza finaritra mijery ny fahantrany ianao amin’ny andro ahitany loza; aza manatsotra tanana haka ny fananany ianao amin’ny andro ahitany loza. |
Angamba hijery ny fahoriako i Iaveh ka soa no hataon’i Iaveh amiko ho valin’izao ozona androany izao.»
Raha nifaly noho ny fahavoazan’ny fahavaloko aho; sy nibitabitaka noho ny loza nanjò azy;-
Fa amboa no mitangorona amiko andian’olon-dratsy no mihenjy manodidina ahy; nandoaka ny tongotro aman-tanako izy;
Ny mpikarama eo aminy kosa, hoatra ny zanak’omby voafahy. Indreny miamboho koa izy ireo dia miara-mandositra, fa tsy manohitra izy, fa nihatra taminy ny androm-pahoriana, dia ny fotoana hamaliana azy.
Noho ianao nanao hoe: «Ho ahy avokoa ny firenena roa sy ny tany roa, ka hahazo azy ho fanananay izahay!» - ary teo kosa i Iaveh - noho izany, velona Aho,
Noho ianao manao lolom-po tsy misy farany, sy nanolotra ny zanak’i Israely ho an’ny sabatra, tamin’ny andro nahitany loza, tamin’ny andron’ny faharatsiana farany,
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny fahavalo nilaza ny aminareo hoe: «Hia! Hia! lasanay ny fanananay ny havoana fahagola!»
Noho izany dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny andravan’ny olona sy nanitsakitsahan’ny tongony anareo, hatraiza hatraiza, mba hahatongavanareo fananan’izay sisa amin’ny firenena, ary noho ianareo tonga fitenenan’ny vava mitsaontsaona, sy firesaka ratsin’ny olona;
Ary mbola azon’ny fahasaro-piaro mafy Aho hamely ny firenena izay milomano amin’ny harem-be. Satria Izaho moa, efa tezitra kely sahady, izy kosa niasa nankamin’ny fandravana ihany.