Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 8:4 - Baiboly Katolika

Ny fanaovan-jiro, dia volamena tefy manta avokoa, hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny voniny. Môdely nasehon’i Iaveh an’i Môizy no nanaovany azy

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no nanaovana ny fitoeran-jiro: Volamena voatefy, koa hatramin’ny faladiany sy ny voniny aza dia samy voatefy avokoa; araka ny endrika izay nasehon’NY TOMPO an’i Mosesy no nanaovany ny fitoeran-jiro.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny fitoeran-jiro dia volamena voatefy hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny voniny. Araka izay endrika efa nasehon’ny TOMPO an’i Mosesy no nanaovana ny fitoeran-jiro.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny fitoeran-jiro dia volamena voatefy hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny voniny. Araka izay endrika efa nasehon’ny TOMPO an’i Mosesy no nanaovana ny fitoeran-jiro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin’ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon’i Jehovah an’i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin'ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon'i Jehovah an'i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no nanaovana ny fitoeran-jiro: Volamena voatefy, koa hatramin’ny faladiany sy ny voniny aza dia samy voatefy avokoa; araka ny endrika izay nasehon’NY TOMPO an’i Mosesy no nanaovany ny fitoeran-jiro.

Jereo ny toko



Nomery 8:4
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary hanao kerobima volamena roa ianao hataonao an-tefiny, dia iray avy no ho eo an-daniny roa amin’ny fanaovam-panavotana;


Ary harahinareo tsara izay rehetra hasehoko anareo, ny mariky ny tabernakla sy ny mariky ny fanaka rehetra momba azy.»


Ataovy toy ny marika naseho anao tany an-tendrombohitra no fananganana ny Fonenana.»


Nanao kerobima volamena roa izy, nataony volamena an-tefiny, tao amin’ny tendrony roa amin’ny fanaovam-panavotana.


Dia nataon’i Aarôna izany, napetrany eo amin’ny anoloan’ny fanaovan-jiro ny lalampy araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:


ireo dia sary sy tandindon’ny any an-danitra fotsiny no fanompoana ataony, araka ny natoron’Andriamanitra an’i Môizy ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe: «Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.»


Koa raha ny tandindon’ny zavatra any an-danitra no tsy maintsy ho nodiovina toy izany, mainka sorona tsara lavitra noho ireny no tsy maintsy nanamasinana ny tenan’ny zavatra any an-danitra.