Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 8:25 - Baiboly Katolika

Rehefa dimampolo taona izy, dia hiala amin’ny raharaha ka tsy hanao ny fanompoana intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

rehefa dimampolo taona kosa izy dia hiala amin’ny antokon’ny fanompoana ka tsy hanompo intsony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa rehefa feno dimampolo taona kosa dia handao ny asa ka tsy hanao fanompoana intsony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa rehefa feno dimampolo taona kosa dia handao ny asa ka tsy hanao fanompoana intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin’ny antokon’ny fanompoana ka tsy hanompo intsony;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin'ny antokon'ny fanompoana ka tsy hanompo intsony;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

rehefa dimampolo taona kosa izy dia hiala amin’ny antokon’ny fanompoana ka tsy hanompo intsony.

Jereo ny toko



Nomery 8:25
4 Rohy Ifampitohizana  

ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin’ny dimampolo, no alao isa, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.


«Izao ny amin’ny Levita: Hatramin’ny 25 taona no ho miakatra, dia hilatsaka hanao ny fanompoana momba ny trano lay fihaonana izy ireo hanaovany raharaha ao.


Hanampy ny rahalahiny ihany izy ao an-trano lay fihaonana, hitandrina izay rehetra tsy maintsy arahina, fa tsy hanao ny fanompoana intsony izy. Izany no hataonareo amin’ny Levita momba ny raharahany.»


Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho;