Natsotran’i Israely ny tanany havanana, ka napetrany tamin’ny lohan’i Efraima izay zandriny; ary ny tanany havia tamin’ny lohan’i Manase; niniany natao toy izany ny tanany, fa i Manase no zokiny.
Nomery 8:18 - Baiboly Katolika Ary ny Levita no nalaiko ho solon’ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Efa nalaiko ho solon’ny lahimatoa rehetra amin’ny Zanak’Israely ny levita. DIEM PROTESTANTA Fa ny Levita kosa no nalaiko ho solon’ny lahimatoa rehetra amin’ny Israelita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ny Levita kosa no nalaiko ho solon’ny lahimatoa rehetra amin’ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary efa nalaiko ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra amin’ny Zanak’Isiraely. Malagasy Bible Ary efa nalaiko ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely. La Bible en Malgache Efa nalaiko ho solon’ny lahimatoa rehetra amin’ny Zanak’Israely ny levita. |
Natsotran’i Israely ny tanany havanana, ka napetrany tamin’ny lohan’i Efraima izay zandriny; ary ny tanany havia tamin’ny lohan’i Manase; niniany natao toy izany ny tanany, fa i Manase no zokiny.
«Indro efa nalaiko ho Ahy eo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita, ho solon’ny lahy matoa izay voalohan-teraky ny reniny ao amin’ny taranak’i Israely, ka dia Ahy ny Levita;
hatolotrao ny Levita ho an’i Aarôna sy ny zanakalahiny: dia ho voatolotra mihitsy ho azy izy ireo eo amin’ny zanak’i Israely.
dia ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra, na amin’ny olona na amin’ny biby; tamin’ilay andro namelezako ny lahy voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Ejipta, no nanokanako azy ho Ahy.
dia natolotro mba ho an’i Aarôna sy ny zanany mihitsy ny Levita eo amin’ny zanak’i Israely mba hanao ny fanompoan’ny zanak’i Israely ao amin’ny trano lay fihaonana, mba hanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely, mba tsy ho voan’ny loza na inona na inona ny zanak’i Israely, rehefa hanakaiky ny fitoerana masina.»