Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 8:14 - Baiboly Katolika

Havahanao amin’ny zanak’i Israely ny Levita, ka dia ho Ahy ny Levita;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Avaho amin’ny Zanak’Israely ny levita, dia ho Ahy ny levita.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia toy izany no hanavahanao amin’ny Israelita hafa ny Levita mba ho Ahy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia toy izany no hanavahanao amin’ny Israelita hafa ny Levita mba ho Ahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ampiavaho amin’ny Zanak’Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ampiavaho amin'ny Zanak'Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Avaho amin’ny Zanak’Israely ny levita, dia ho Ahy ny levita.

Jereo ny toko



Nomery 8:14
13 Rohy Ifampitohizana  

Amin’ny andro efa omaniko, hoy i Iavehn’ny tafika, ho raki-tsoa manokana ho Ahy ireo, ary ho feno fitiavana azy Aho toy ny mahafeno fitiavana ny olona amin’ny zanany manompo azy.


Indro efa nalaiko teo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita rahalahinareo. Efa natolotra an’i Iaveh izy ka atolotra aminareo ho fanomezana, mba hanao ny raharahan’ny trano lay fihaonana.


«Indro efa nalaiko ho Ahy eo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita, ho solon’ny lahy matoa izay voalohan-teraky ny reniny ao amin’ny taranak’i Israely, ka dia Ahy ny Levita;


«Alao ny Levita ho solon’ny lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely; ary ny biby fiompin’ny Levita ho solon’ny biby fiompiny koa, ka dia ho Ahy ny Levita; Izaho no Iaveh.


hatolotrao ny Levita ho an’i Aarôna sy ny zanakalahiny: dia ho voatolotra mihitsy ho azy izy ireo eo amin’ny zanak’i Israely.


«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mitokana noho ny voady, dia voady ho nazareàna izany, mba hanokan-tena ho voninahitra ho an’i Iaveh,


Dia asaovy mijoro eo anatrehan’i Aarôna sy ny zanany ny Levita, ka atolory ho fanatitra ahevaheva ho an’i Iaveh.


dia ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra, na amin’ny olona na amin’ny biby; tamin’ilay andro namelezako ny lahy voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Ejipta, no nanokanako azy ho Ahy.


I Paoly mpanompon’i Kristy Jesoa, voaantso ho Apôstôly, sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra, -


Nefa, nony sitrak’Andriamanitra, Ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany,


Tamin’izany andro izany no nanokanan’i Iaveh ny fokon’i Levỳ hitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh sy hitoetra eo anatrehan’i Iaveh, hanompo Azy ary hitso-drano amin’ny Anarany, mandraka androany.


Eny tokoa, dia mpisorom-be toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra;