Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 7:88 - Baiboly Katolika

Ny totalin’ny biby hatao sorom-pihavanana, dia omby 24, ondralahy 60, osy lahy 60, ary zanak’ondry efa iray taona 60. Ireo no fanomezana naterina tamin’ny fitokanana ny ôtely, nony efa voahosotra izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny biby rehetra izay hatao fanati-pihavanana dia vantotra ombilahy efatra amby roapolo, ondrilahy enimpolo, osilahy enimpolo, zanak’ondry enimpolo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin’ny fitokanana ny alitara rehefa voahosotra izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny biby rehetra natao sorom-pihavanana kosa dia ombilahy 24, ondrilahy 60, osilahy 60, ondrilahikely 60 izay iray taona avy. Ireo no fanomezana natolotra ho fanokanana ny alitara rehefa voahosotra izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny biby rehetra natao sorom-pihavanana kosa dia ombilahy 24, ondrilahy 60, osilahy 60, ondrilahikely 60 izay iray taona avy. Ireo no fanomezana natolotra ho fanokanana ny alitara rehefa voahosotra izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny isan’ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr’ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak’ondry enim-polo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin’ny fitokanana ny alilara, rehefa voahosotra izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny isan'ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr'ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak'ondry enim-polo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin'ny fitokanana ny alitara, rehefa voahosotra izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny biby rehetra izay hatao fanati-pihavanana dia vantotra ombilahy efatra amby roapolo, ondrilahy enimpolo, osilahy enimpolo, zanak’ondry enimpolo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin’ny fitokanana ny alitara rehefa voahosotra izy.

Jereo ny toko



Nomery 7:88
5 Rohy Ifampitohizana  

Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh amin’io sorom-pihavanana io dia ny saborany, ny hofany manontolo faranana hatreo amin’ny hazon-damosiny, ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miraikitra amin’ny tsinainy;


Tamin’ny andro nahavitan’i Môizy ny fananganana ny Fonenana ka nanosorany sy nanamasinany azy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, hatramin’ny ôtely mbamin’ny fanaka rehetra momba azy koa, rehefa nanosotra sy nanamasina an’ireo izy,


Natolotry ny filohany ny fanatitra hitokanana ny ôtely tamin’ny andro nanosorana azy. Natolotry ny filohany eo anoloan’ny ôtely ny fanatiny.


Ireo no fanomezana avy amin’ny filohan’i Israely, tamin’ny fitokanana ny ôtely, tamin’ny andro nanosorana azy; lovia volafotsy 12, kapoaka volafotsy 12, ary lovia kely volamena 12.


Ny totalin’ny biby hatao sorona, dia vantotr’ombalahy 12; ondralahy 12 sy zanak’ondry 12, efa iray taona, mbamin’ny fanatitra momba azy; osy lahy 12, hatao sorona noho ny ota;