Nomery 7:5 - Baiboly Katolika «Raiso ireo zavatra avy aminy ireo, hoentina hanaovana ny raharaha momba ny trano lay fihaonana, ka omeo ny Levita, samy araka izay ilainy amin’ny raharahany avy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raiso avy aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana ka omeo ny levita, dia samy araka ny fanompoany avy. DIEM PROTESTANTA –Raiso ireo fanomezana entiny eto aminao ireo fa ilaina amin’ny asa fanompoana momba ny Tranolay fihaonana izany, ka omeo ny Levita, samy araka ny ilàny azy avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Raiso ireo fanomezana entiny eto aminao ireo fa ilaina amin’ny asa fanompoana momba ny Tranolay fihaonana izany, ka omeo ny Levita, samy araka ny ilàny azy avy. Baiboly Protestanta Malagasy Raiso aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita, dia samy araka ny fanompoany avy. Malagasy Bible Raiso aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita, dia samy araka ny fanompoany avy. La Bible en Malgache Raiso avy aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana* ka omeo ny levita*, dia samy araka ny fanompoany avy. |
Teny marina tokoa izany ka tiako hoanterinao tsara ny filaza azy, mba hikely aina amin’ny fanaovana asa soa izay mino an’Andriamanitra. Izany no tsara sy mahasoa ny olona.