Manome fonenana ny momba ao an-trano Izy, manao azy ho reny mifaly eo afovoan’ny zanany. Aleloia!
Nomery 5:28 - Baiboly Katolika Fa raha tsy nanao fahalotoana kosa ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy, ary hanana anaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha tsy voaloto kosa Ravehivavy fa madio dia ho afaka izy ka hanana anaka. DIEM PROTESTANTA Fa raha tsy voaloto kosa izy fa madio, dia tsy hanan-tsiny ka mbola afaka hiteraka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa raha tsy voaloto kosa izy fa madio, dia tsy hanan-tsiny ka mbola afaka hiteraka. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan-anaka. Malagasy Bible Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan'anaka. La Bible en Malgache Raha tsy voaloto kosa Ravehivavy fa madio dia ho afaka izy ka hanana anaka. |
Manome fonenana ny momba ao an-trano Izy, manao azy ho reny mifaly eo afovoan’ny zanany. Aleloia!
Dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona, ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily hanao fahalotoana ianao, raha mbola eo am-pelatanan’ny vadinao dia afàha amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao.
Rehefa hampisotroiny azy ny rano, dia izao ny hitranga: raha nanao fahalotoana, ka diso tamin’ny lahy tokoa izy, dia hiditra ao anatiny, mba ho mangidy aminy, ny rano mitondra ozona, hivonto ny kibony, ary hifezaka ny ilany, ka dia fanozona eo amin’ny fireneny izany vehivavy izany.
«Izany no lalàna momba ny fiahiahiana, raha misy vehivavy eo am-pelatanan’ny lahy, nivily nanao fahalotoana;
Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay;
«Raha misy lehilahy naka vady sy efa nampakatra azy, ka avy izay tsy nahitan-dravehivavy fitia eo imasony indray, fa misy zava-mahadikidiky hitany aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy izy, ka rehefa voatolony eo an-tanany izany, dia halefany hiala ao an-tranony izy.
ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.