Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 5:15 - Baiboly Katolika

dia hoentin’ny lahy ho eo amin’ny mpisorona ny vadiny, ka hitondra fanatitra noho ny amin’ny vavy izy, dia lafarina orja ampahafolon’ny efah, tsy hanidinana diloilo izany na hasiana emboka manitra, satria fanati-piahiahiana, fanati-pahatsiarovana, mampahatsiaro heloka io.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia hoentin’ny lahy ho eo amin’ny mpisorona ny vadiny ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-barimbazaha ampahafolon’ny efaha. Tsy handrarahany diloilo izany sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Na ahoana na ahoana, dia hitondra ny vadiny eo amin’ny mpisorona ralehilahy ka hanolotra fanatitra noho ny amin-dravehivavy, dia lafarinina ôrza telo kilao. Tsy handrarahany menaka io lafarinina io sady tsy hasiany vovo-javamanitra satria fanatitra noho ny fahasaropiaro, fanati-piampangana natao hanehoana fahadisoana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Na ahoana na ahoana, dia hitondra ny vadiny eo amin’ny mpisorona ralehilahy ka hanolotra fanatitra noho ny amin-dravehivavy, dia lafarinina ôrza telo kilao. Tsy handrarahany menaka io lafarinina io sady tsy hasiany vovo-javamanitra satria fanatitra noho ny fahasaropiaro, fanati-piampangana natao hanehoana fahadisoana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia ho entin’ny lahy ho eo amin’ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon’ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia ho entin'ny lahy ho eo amin'ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon'ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia hoentin’ny lahy ho eo amin’ny mpisorona ny vadiny ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-barimbazaha ampahafolon’ny efaha*. Tsy handrarahany diloilo izany sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.

Jereo ny toko



Nomery 5:15
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ity vehivavy tamin’i Elia: «Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon’Andriamanitra? Moa tsy hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao tatỳ amiko?»


Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:


Tsy ho fitokian’ny taranak’i Israely intsony izy; hampahatsiarovina azy ny heloka nataony, tamin’ny nitodihany nankany aminy; dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh Aho.


Novidiko sikla volafotsy 15 sy orja iray homera, ary orja iray leteka, izy;


Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo hanao fanatitra amin’i Iaveh dia biby fiompy no ataovy, na ny vaventy na ny madinika.


«Raha misy olona manolotra zavatra amin’i Iaveh hatao fanatitra, dia lafarina tsara indrindra no hateriny, ka horarahany diloilo eo amboniny sy hampiany emboka.


Raha tsy manan-katao hahazoany domohina roa na vanto-boromahailala roa izy, dia lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah no hoentiny ho fanatitra noho ny otany, hatao sorona noho ny ota; tsy horarahany diloilo eo amboniny, na ampiany emboka, fa sorona noho ny ota izany.


«Ary ny mpisorona hampanatona an-dravehivavy hitsangana eo anatrehan’i Iaveh;


Nefa isan-taona dia nahatsiaro ny fahotany ihany ny olona tamin’ireny sorona ireny,