Koa araka ny didy farany avy amin’i Davida no nanisana ny taranak’i Levì, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
Nomery 4:47 - Baiboly Katolika hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin’ny dimampolo taona, izay rehetra tsy maintsy manana anjara raharaha amin’ny fanompoana sy ny fitondrana entana momba ny trano lay fihaonana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 hatramin’ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin’ny fanompoana, dia ny fanompoana ny amin’ny fitondrana entana ao amin’ny tranolay fihaonana. Baiboly Protestanta Malagasy hatramin’ny telo-polo taona ka hatramin’ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin’ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin’ny trano-lay fihaonana,– Malagasy Bible hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin'ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin'ny trano-lay fihaonana, La Bible en Malgache hatramin’ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin’ny fanompoana, dia ny fanompoana ny amin’ny fitondrana entana ao amin’ny tranolay fihaonana. |
Koa araka ny didy farany avy amin’i Davida no nanisana ny taranak’i Levì, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
dia nisaina ny Levita hatramin’ny telopolo taona no miakatra, ka 38.000 no isan’ny vatan-dehilahy tsirairay avy.
Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.
hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra ka hatramin’ny dimampolo taona; dia izay rehetra voatendry hanao fanompoana hahavita raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.
ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin’ny dimampolo taona no hisainao, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.
Ireo no voaisa tamin’ny fianakavian’ny Kaatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin’ny trano lay fihaonana. Araka ny didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy no nanaovan’i Môizy sy i Aarôna izany fanisana izany.
Ny voaisa rehetra tamin’ny Levita, izay nisain’i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny filohan’i Israely, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,