Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 4:33 - Baiboly Katolika

Izany no fanompoan’ny fianakavian’ny zanak’i Merarỳ, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano lay fihaonana, eo ambany fifehezan’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izany no ho fanompoan’ny fianakavian’ny taranak’i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin’ny tranolay fihaonana, ary Itamara, zanak’i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Merarita tao amin’ny Tranolay fihaonana. I Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona, no hanara-maso azy amin’izany.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Merarita tao amin’ny Tranolay fihaonana. I Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona, no hanara-maso azy amin’izany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izany no ho fanompoan’ny fokon’ny taranak’i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin’ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak’i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak'i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izany no ho fanompoan’ny fianakavian’ny taranak’i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin’ny tranolay fihaonana, ary Itamara, zanak’i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.

Jereo ny toko



Nomery 4:33
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary izao no isan’ny zavatra nanaovana ny Fonenana, dia ny Fonenan’ny vavolombelona; ny Levita, notarihin’i Itamara, zanak’i Aarôna, mpisorona no nanao ny fanisana, araka ny teny azony tamin’i Môizy.


Nony halain’ny rahalahiny ny olona anankiray, ao an-tranon-drainy ilazany hoe: «Manan-damba ianao, ka aoka ho lehibenay, ary aoka ho ambany fiambenanao izao faharavana izao!»


Izany no fanompoan’ny fianakavian’ny zanaky ny Gersônita amin’ny trano lay fihaonana, izany no raharahany eo ambanin’ny fitandreman’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona.


ny andry amin’ny kianja manodidina azy, ny faladian’ireo, ny tsîmany, ny kofehiny, mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ary ny zavatra rehetra ilaina aminy. Tano an-tsoratra ny anaran’ny zavatra nomeny hoentiny.


Ary i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny filohan’ny fiangonana nanisa ny taranaky ny Kaatita, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,


Sarety efatra sy omby valo kosa, no nomen’ny taranak’i Merarỳ, fehin’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona, araka izay ilainy amin’ny raharahany.


Dia niteny tamin’ny mpisorona i Jôsoe ka nanao hoe: «Ento ny fiaran’ny fanekena ka mità eo alohan’ny vahoaka.» Dia nentin’izy ireo ny fiaran’ny fanekena, ka nandroso teo alohan’ny vahoaka izy.