Ireo no zanaka lahin’i Levì araka ny fianakaviany, ny loham-pianakaviana, araka ny nanisana azy, voaisa isan’olona, voatonona anarana, izay nanao fanompoana tao an-tranon’i Iaveh hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
Nomery 4:23 - Baiboly Katolika ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin’ny dimampolo, no alao isa, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 izay hatramin’ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona no hisainao, dia izay rehetra azo alefa hanafika, fa hanao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo. DIEM PROTESTANTA Hisainao ny lehilahy rehetra feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, dia ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hisainao ny lehilahy rehetra feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, dia ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana. Baiboly Protestanta Malagasy ny hatramin’ny telo-polo taona ka hatramin’ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin’ny antokony hanao fanompoana ao amin’ny trano-lay fihaonana. Malagasy Bible ny hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana. La Bible en Malgache izay hatramin’ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona no hisainao, dia izay rehetra azo alefa hanafika, fa hanao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana* izy ireo. |
Ireo no zanaka lahin’i Levì araka ny fianakaviany, ny loham-pianakaviana, araka ny nanisana azy, voaisa isan’olona, voatonona anarana, izay nanao fanompoana tao an-tranon’i Iaveh hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
Koa araka ny didy farany avy amin’i Davida no nanisana ny taranak’i Levì, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
dia nisaina ny Levita hatramin’ny telopolo taona no miakatra, ka 38.000 no isan’ny vatan-dehilahy tsirairay avy.
Izao no fanompoana hataon’ny fokon’ny Gersônita, dia ny anjara raharahany sy ny anjara entany:
hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra ka hatramin’ny dimampolo taona; dia izay rehetra voatendry hanao fanompoana hahavita raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.
Rehefa dimampolo taona izy, dia hiala amin’ny raharaha ka tsy hanao ny fanompoana intsony.
Zovy no mpiantafika miantoka ny fivelomany? Zovy no mpamboly voaloboka tsy mihinana ny voany? Zovy no mpiandry omby aman’osy tsy mivelona amin’ny rononony?
toriteny marina, ny herin’Andriamanitra, ny fiadian’ny fahamarinana, na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia;
Fa ny nofo manam-pilana mifanohitra amin’ny an’ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin’ny an’ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo ianareo.
izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàn-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana.
Izany àry no didy omeko anao, ry Timote zanako, araka ny faminaniana maro ny aminao taloha, mba ho araka izany ny hiadianao ny ady tsara,