Nony tonga teo am-pamoloan’i Nakôra izy ireo, dia naninjitra ny tanany nankamin’ny Fiaran’Andriamanitra i Ozà sy nandray azy, fa nisolifaka ny omby.
Nomery 4:19 - Baiboly Katolika Izao no ataovy amin’izy ireo, mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: i Aarôna sy ny zanany ihany no hiditra, dia hanome azy ireo ny anjara raharaha sy anjara entany tsirairay avy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no hataonareo aminy mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: I Arona sy ireo zanany no ho avy ka hanendry ny olona samy ho amin’izay fanompoany sy ny asany avy. DIEM PROTESTANTA Izao no hataonareo aminy mba hahavelona fa tsy hahafaty azy raha manakaiky izay fitaovana masina indrindra izy: i Aharôna sy ny zanany ihany no hametraka azy ireo amin’ny andraikiny sy amin’izay tokony hoentiny avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no hataonareo aminy mba hahavelona fa tsy hahafaty azy raha manakaiky izay fitaovana masina indrindra izy: i Aharôna sy ny zanany ihany no hametraka azy ireo amin’ny andraikiny sy amin’izay tokony hoentiny avy. Baiboly Protestanta Malagasy fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: Arona sy ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin’ny fanompoany avy sy amin’ny entany avy; Malagasy Bible fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin'ny fanompoany avy sy amin'ny entany avy; La Bible en Malgache Izao no hataonareo aminy mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: I Arona sy ireo zanany no ho avy ka hanendry ny olona samy ho amin’izay fanompoany sy ny asany avy. |
Nony tonga teo am-pamoloan’i Nakôra izy ireo, dia naninjitra ny tanany nankamin’ny Fiaran’Andriamanitra i Ozà sy nandray azy, fa nisolifaka ny omby.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Midìna ka rarao mafy ny vahoaka tsy hihoatra ny faritra mankatỳ amin’i Iaveh mba hijery, fandrao hahafatesana maro izy.
Rehefa hifindra ny Fonenana dia ny Levita no hangorona azy; rehefa hiorin-dasy indray ny Fonenana, izy koa no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia hohelohin-ko faty.
Hanatanteraka ny fanompoanao sy ny fanompoana momba ny trano lay rehetra izy, nefa tsy hanakaiky ny fanaky ny fitoerana masina na ny an’ny ôtely, fandrao maty ianareo, dia izy sy ianareo.
Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.