Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Midìna ka rarao mafy ny vahoaka tsy hihoatra ny faritra mankatỳ amin’i Iaveh mba hijery, fandrao hahafatesana maro izy.
Nomery 4:18 - Baiboly Katolika Tandremo sao voafongotra ny fokon’ny fianakavian’ny Kaatita eo afovoan’ny Levita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ataovy izay tsy hahafongotra ny fianakavian’ny Kehatita izay naman’ny levita. DIEM PROTESTANTA –Tandremo izay tsy hahafongotra ny tariky ny Kehatita tsy ho isan’ny Levita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Tandremo izay tsy hahafongotra ny tariky ny Kehatita tsy ho isan’ny Levita. Baiboly Protestanta Malagasy Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon’ny Kehatita tsy ho amin’ny Levita: Malagasy Bible Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon'ny Kehatita tsy ho amin'ny Levita: La Bible en Malgache Ataovy izay tsy hahafongotra ny fianakavian’ny Kehatita izay naman’ny levita*. |
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Midìna ka rarao mafy ny vahoaka tsy hihoatra ny faritra mankatỳ amin’i Iaveh mba hijery, fandrao hahafatesana maro izy.
Na zovy na zovy hanamboatra tahaka an’io na hanosotra izany amin’ny olona tsy fanosotra azy, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»
Ka na zovy na zovy hanao mitovy amin’izany hanamboloany ny havany, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»
Ny vady aman-janakao rehetra hoentina ao amin’ny Kaldeanina, ianao koa tsy ho afa-mandositra azy ireo, fa ho azon’ny mpanjakan’ny Babilôna, ary ianao no nandoro ity tanàna ity.»
Nanoka-bava ny tany, ka nitelina azy ireo, dia izy mbamin’ny fianakaviany ary ny ankohonan’i Kôre rehetra sy ny fananany rehetra.
«Mialà ianareo eo afovoan’ity fiangonana ity, handringanako azy indray mihelina.» Dia niankohoka tamin’ny tany izy.
Dia hotanterahinareo ny fanompoana momba ny fitoerana masina sy ny fanompoana momba ny ôtely, mba tsy hisy fahatezerana amin’ny zanak’i Israely intsony.
Ny avy amin’i Kaata dia ny fokon’ny Amramita, ny fokon’ny Jesaarita, ny fokon’ny Hebrônita, ary ny fokon’ny Azielita: ireo no fokon’ny Kaatita.
Izao no ataovy amin’izy ireo, mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: i Aarôna sy ny zanany ihany no hiditra, dia hanome azy ireo ny anjara raharaha sy anjara entany tsirairay avy,
Nokapohin’i Iaveh ny olona tao Bety-Samesy, fa nijerijery foana ny Fiaran’i Iaveh, ka olona fitopolo sy dimy alina no novonoiny tamin’ny vahoaka. Dia nisaona fatratra ny vahoaka noho ny namelezan’i Iaveh ny vahoaka tamin’ny loza mafy.