Any amin’i Jodà koa no namelaran’Andriamanitra ny tanany, ka nomeny fo iray hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny lehibe araka ny tenin’i Iaveh.
Nomery 36:10 - Baiboly Katolika Dia nanao araka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny zanaka vavin’i Salfaada. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataon’ny zanakavavin’i Zelofada, DIEM PROTESTANTA Dia nataon’ny zanakavavin’i Tselôfehada araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy izany, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nataon’ny zanakavavin’i Tselôfehada araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy izany, Baiboly Protestanta Malagasy Araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataon’ny zanakavavin’i Zelofada, Malagasy Bible Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny zanakavavin'i Zelofada, La Bible en Malgache Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataon’ny zanakavavin’i Zelofada, |
Any amin’i Jodà koa no namelaran’Andriamanitra ny tanany, ka nomeny fo iray hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny lehibe araka ny tenin’i Iaveh.
Dia nataon’ny zanak’i Israely rehetra izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy i Aarôna; izany no nataony.
Nony voalazan’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely izany, dia navoakan’izy ireo ilay mpanevateva, ka notorahany vato. Notanterahin’ny zanak’i Israely ny didy nomen’i Iaveh an’i Môizy.
Dia notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy; nataony izany.
Samy nanambady ny zana-drahalahin-drainy avy ny zanaka vavin’i Salfaada: I Maalà, i Tersà, i Heglà, i Melkà sy i Nôà;
Tsy hisy lova hifindra maso any amin’ny foko hafa, fa ny fokon’i Israely rehetra samy hipetraka amin’ny lovany avy.»
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Nankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy teo anatrehan’i Jôsoe zanak’i Nona, sy teo anatrehan’ny filohany izy ireo, ka nanao hoe: «Nandidy an’i Môizy i Iaveh hanome zara tany anay eo amin’ny anadahinay.» Dia nomena zara tany teo amin’ny rahalahin-drainy izy ireo, araka ny didin’i Iaveh.