Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 35:3 - Baiboly Katolika

Hanana ny tanànany izy honenany, ary ny tany fiandrasam-biby, dia ho an’ny biby vaventy fiompiny sy ny fananany mbamin’ny bibiny rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireo tanàna ireo no ho fonenany; ary ny tany dia ho an’ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin’ny bibiny rehetra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny tanàna dia ho azy mba honenany, fa ny tany kosa ho an’ny biby fiompiny sy ny fitaovany ary ny bibiny hafa rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny tanàna dia ho azy mba honenany, fa ny tany kosa ho an’ny biby fiompiny sy ny fitaovany ary ny bibiny hafa rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa ny tanàna dia honenany; ary ny tany dia ho an’ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin’ny bibiny rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa ny tanàna dia honenany; ary ny tany dia ho an'ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin'ny bibiny rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireo tanàna ireo no ho fonenany; ary ny tany dia ho an’ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin’ny bibiny rehetra.

Jereo ny toko



Nomery 35:3
6 Rohy Ifampitohizana  

Fa nandalo ny tanim-piandrasam-biby sy ny fananany ny taranak’i Levì, ka nankany Jodà sy i Jerosalema, satria ny zanany dia nesorin’i Jerôbôama tamin’ny raharaham-pisoronana fankalazana an’i Iaveh,


Ny sasany hanaovana ny fitoerana masina, 500 hakiho ny lavany, 500 ny sakany, dia efa-joro sokera amin’ny manodidina rehetra, ary 50 hakiho hatao faritany manodidina azy akaiky.


«Omeo didy ny zanak’i Israely hanome tanàna ho an’ny Levita avy amin’ny lova hananany avy, mba honenany ao. Homenareo tany fiandrasam-biby manodidina izany tanàna izany koa ny Levita.


Ny tany fiandrasam-biby momba ny tanàna homenareo ny Levita, dia ho arivo hakiho manodidina hatreo amin’ny mandan’ny tanàna avy eo ivelany.


Raha misy Levita miala amin’ny anankiray amin’ny tanànanao, amin’izay fitoerana onenany ao amin’i Israely na aiza na aiza, ka tonga araka ny fanirian’ny fony amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh,


Dia nomeny azy, tao amin’ny tendrombohitr’i Jodà, ny tanànan’i Arbe, rain’i Enàka, dia i Hebrôna izany, ary ny tany manodidina azy.