Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 34:8 - Baiboly Katolika

avy ao an-tendrombohitra Hôra, dia hofaritanareo mankao amin’ny vavahadin’i Hamata ka tonga hatrany Sedada io faritra io;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

avy eo amin’ny tendrombohitra Hora dia ny lalana mankany Hamata no hotandrifìnareo ary hahazo an’i Zedada ny sisintany;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo an-tendrombohitra Hôra, dia ny lalana mankany Lebô-Hamata no hamaritanareo azy, ary hipaka any Tsedada.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo an-tendrombohitra Hôra, dia ny lalana mankany Lebô-Hamata no hamaritanareo azy, ary hipaka any Tsedada.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary hatramin’ny tendrombohitra Hora dia aoka ny làlana mankany Hamatra no hotandrifinareo. ary aoka ny fari-tany hahazo an’i Zedada,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary hatramin'ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an'i Zedada,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

avy eo amin’ny tendrombohitra Hora dia ny lalana mankany Hamata no hotandrifìnareo ary hahazo an’i Zedada ny sisintany;

Jereo ny toko



Nomery 34:8
12 Rohy Ifampitohizana  

Nony ren’i Taohò mpanjakan’i Hamata, fa hoe resin’i Davida avokoa ny miaramilan’i Hadadezera,


Tamin’izany andro izany, i Salômôna sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia olona zavon-tany avy hatrany amin’ny vava lalan’i Emata, ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta, dia nankalaza ny fety teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitsika nandritra ny fito andro, ary fito andro koa indray, dia 14 andro.


Izy no nampody ny sisin-tanin’i Israely, ho araka ny faritany taloha, hatramin’ny hadilalan’i Emata ka hatramin’ny Ranomasin’i Arabah, araka ny tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely nolazainy tamin’ny alalan’ny mpanompony Jônasa mpaminany zanak’i Amatì, avy any Gety-Kefera.


ny Aradianina, ny Samareanina, ny Hamateanina.


Koa novorin’i Davida i Israely rehetra, hatramin’ny Sihora any Ejipta, ka hatrany amin’ny hadilalan’i Emata, haka ny fiaran’Andriamanitra avy any Kariatiarima.


Tsy toa an’i Karkemisa va no nahazo an’i Kalnô, tsy toa an’i Arfada va no nahazo an’i Hamata? ary tsy toa an’i Damasa va no nahazo an’i Samaria?


Nenjehin’ny tafiky ny Kaldeanina anefa izy ireo, ary tratrany teo amin’ny tany lemak’i Jerikô i Sedesiasa. Dia noraisin’izy ireo izy ka nentiny niakatra ho any amin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, tao Reblà, amin’ny tanin’i Emata, ka namoaka teny fitsarana momba azy izy.


Fa indro hanangana hamely anareo Aho, ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika - hanangana firenena anankiray hampahory anareo, hatrany amin’ny hadilalan’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’ny efitra.


Dia niakatra izy ireo, ka nisafo ny tany hatrany amin’ny efitra Sina, ka hatrany Rohoba, amin’ny lalan’i Hemata.


dia hitohy amin’ny Jefrôna sy ho tafapaka any Hatsar-Enàna: Izany no ho faritrareo amin’ny avaratra.