Nomery 34:29 - Baiboly Katolika Ireo no nodidian’i Iaveh hizara ny tany Kanaana amin’ny zanak’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo no nodidian’NY TOMPO hizara ny tany Kanana ho an’ny Zanak’Israely. DIEM PROTESTANTA Ireo no olona nodidian’ny TOMPO hisahana ny fizaràna ny tany Kanahàna ho an’ny Israelita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo no olona nodidian’ny TOMPO hisahana ny fizaràna ny tany Kanahàna ho an’ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo no nodidian’i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an’ny Zanak’Isiraely. Malagasy Bible Ireo no nodidian'i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an'ny Zanak'Isiraely. La Bible en Malgache Ireo no nodidian’NY TOMPO hizara ny tany Kanana ho an’ny Zanak’Israely. |
Niteny tamin’i Môizy i Iaveh tao an-tany lemak’i Moaba amoron’i Jordany, tandrifin’i Jerikao nanao hoe:
Ireo no lova nozarain’i Eleazara mpisorona, sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, tamin’ny filokana, tany Silô, teo anatrehan’i Iaveh, teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana. Izany no nanaperany ny fizaràna ny tany.