Nomery 34:18 - Baiboly Katolika Ary lehilahy iray isam-poko no halainareo hizara ny tany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary loholona iray avy amin’ny foko tsirairay koa no halainareo hizara ny tany. DIEM PROTESTANTA Hisy tompon’andraikitra iray avy isam-poko hotendrenareo hanampy azy amin’izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hisy tompon’andraikitra iray avy isam-poko hotendrenareo hanampy azy amin’izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary loholona iray avy amin’ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany. Malagasy Bible Ary loholona iray avy amin'ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany. La Bible en Malgache Ary loholona iray avy amin’ny foko tsirairay koa no halainareo hizara ny tany. |
Izao no anaran’ny lehilahy hizara ny tany aminareo: Eleazara, mpisorona, sy Jôsoe, zanak’i Nona.
Ireo no lova nozarain’i Eleazara mpisorona, sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, tamin’ny filokana, tany Silô, teo anatrehan’i Iaveh, teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana. Izany no nanaperany ny fizaràna ny tany.