Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 34:17 - Baiboly Katolika

Izao no anaran’ny lehilahy hizara ny tany aminareo: Eleazara, mpisorona, sy Jôsoe, zanak’i Nona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireto ny anaran’ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: I Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

–I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona no hisahana ny fizaràna ny tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona no hisahana ny fizaràna ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izao no anaran’ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’i Nona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao no anaran'ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireto ny anaran’ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: I Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona.

Jereo ny toko



Nomery 34:17
10 Rohy Ifampitohizana  

Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:


Ireo no anaran’ny lehilahy nirahin’i Môizy hisafo ny tany. I Ozea, zanak’i Nona dia nomen’i Môizy anarana hoe Jôsoe.


Dia nirahin’i Môizy avy ao amin’ny efitra Faràna, araka ny didin’i Iaveh, izy ireo; ary samy filohan’ny zanak’i Israely avokoa ireo lehilahy rehetra ireo.


Ozea, zanak’i Nona, avy amin’ny fokon’i Efraima;


Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:


Ary lehilahy iray isam-poko no halainareo hizara ny tany,


fa i Jôsoe mpanomponao zanak’i Nona, no hiditra any; ankaherezo izy, fa izy no hampahazo an’i Israely izany tany izany;


Izao no noraisin’ny zanak’i Israely ho lova, tany amin’ny tany Kanaana, izay nozarain’i Eleazara mpisorona sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’i Israely.


Filokana no nahazoany ny lovany, araka ny nandidian’i Iaveh ho an’ny foko sivy sy ny antsasa-poko;


Ireo no lova nozarain’i Eleazara mpisorona, sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, tamin’ny filokana, tany Silô, teo anatrehan’i Iaveh, teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana. Izany no nanaperany ny fizaràna ny tany.