Dia nandroso ny zanak’i Israely ka nitoby tao amin’ny lohasahan’i Moaba, tandrifin’i Jerikao.
Nomery 33:48 - Baiboly Katolika Niala tao an-tendrombohitra Abirama izy, dia nitoby tao amin’ny tany lemak’i Moaba, amoron’i Jordany, tandrifin’i Jerikô. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Niala tamin’ny tendrombohitra Abarima dia nitoby tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko. DIEM PROTESTANTA niala teo an-tendrombohitra Habarîma, dia nitoby tao amin’ny lemak’i Môaba, teo amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara niala teo an-tendrombohitra Habarîma, dia nitoby tao amin’ny lemak’i Môaba, teo amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony niala tamin’ny tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao Arbota-moaba, teo amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko. Malagasy Bible Ary nony niala tamin'ny tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko. La Bible en Malgache Niala tamin’ny tendrombohitra Abarima dia nitoby tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko. |
Dia nandroso ny zanak’i Israely ka nitoby tao amin’ny lohasahan’i Moaba, tandrifin’i Jerikao.
Dia nilaza tamin’ny olona i Môizy sy i Eleazara mpisorona, tao amin’ny tany lemak’i Moaba, akaikin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô, ka nanao hoe:
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Miakara amin’io tendrombohitra Abarima io, ka tazano ny tany omeko ny zanak’i Israely.
Avy eo Janôe dia nidina nankany Atarôta sy Naaratà, nikasika an’i Jerikô, ka nihatra an’i Jordany.