Nomery 33:4 - Baiboly Katolika Ary ny Ejiptianina nandevina izay novonoin’i Iaveh teo aminy, dia ny lahy matoany rehetra, ary nahatran’i Iaveh tamin’ny andriamaniny koa ny fitsarana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa mbola nandevina izay novonoin’NY TOMPO teo aminy ny Ejiptiana, dia ny lahimatoa rehetra; ny andriamaniny dia notsarain’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Mbola nandevina ny lahimatoany izay novonoin’ny TOMPO ho faty izy ireo: izany no nampiharan’ny TOMPO tamin’ny andriamaniny ny didy fanamelohana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mbola nandevina ny lahimatoany izay novonoin’ny TOMPO ho faty izy ireo: izany no nampiharan’ny TOMPO tamin’ny andriamaniny ny didy fanamelohana. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny Egyptiana mbola nandevina izay efa novonoin’i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain’i Jehovah. Malagasy Bible Fa ny Egyptiana mbola nandevina izay efa novonoin'i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain'i Jehovah. La Bible en Malgache fa mbola nandevina izay novonoin’NY TOMPO teo aminy ny Ejiptiana, dia ny lahimatoa rehetra; ny andriamaniny dia notsarain’NY TOMPO. |
Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka ny lahy matoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby, ary misy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra: fa Izaho no Iaveh.
Fantatro ankehitriny fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra i Iaveh, fa nampiharihary ny halehibeny Izy, raha nampahory an’i Israely ny Ejiptianina.»
Faminaniana ny amin’i Ejipta. Indro i Iaveh, mitaingin-drahona maivana miditra any Ejipta. Ka ny sampin’i Ejipta, mangovitra eo anatrehany, ary ny fon’i Ejipta mihonaka ao anatiny.
Ho fampatahorana mafy ho azy i Iaveh, fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany; ary hiankohoka eo anatrehany samy any amin’izay misy azy avy, ny mponina amin’ny nosim-pirenena rehetra.
satria Ahy ny lahy matoa rehetra. Tamin’ilay andro namelezako ny lahy matoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta no nanokanako ho Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’i Israely, na olona na biby fiompy; ka dia Ahy ireo, fa Izaho no Iaveh.»