Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 33:2 - Baiboly Katolika

Nalatsak’i Môizy an-tsoratra ny toerana niaingana araka ny nitobiany manaraka ny didin’i Iaveh, ka izao avy no nitobiany araka ny niaingany:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Notanan’i Mosesy an-tsoratra ny toerana niaingany sy nijanonany, araka izay didin’NY TOMPO; ireto ny toerana nijanonany, araka ny diany:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nomarihin’i Mosesy tsara ny toerana nasain’ny TOMPO nijanonany sy niaingany indray araka izao:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nomarihin’i Mosesy tsara ny toerana nasain’ny TOMPO nijanonany sy niaingany indray araka izao:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nosoratan’i Mosesy ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin’i Jehovah; ary izao no nandehanany araka ny nialany:–

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nosoratan'i Mosesy ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin'i Jehovah; ary izao no nandehanany araka ny nialany:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Notanan’i Mosesy an-tsoratra ny toerana niaingany sy nijanonany, araka izay didin’NY TOMPO; ireto ny toerana nijanonany, araka ny diany:

Jereo ny toko



Nomery 33:2
8 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Soraty izany ho fahatsiarovana amin’ny boky; ary ambarao amin’i Jôsoe fa hofoanako eo ambanin’ny lanitra ny fahatsiarovana an’i Amaleka».


Izany no niaingany voalohany araka ny didin’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.


Raha tsofinao mikarantsana fanindroany, dia ireo mitoby amin’ny lafiny atsimo no hiainga. Hotsofina mikarantsana amin’ny fiaingany.


Izao no nitobian’ny zanak’i Israely nony nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, araka ny antokony avy, ambanin’ny fitondran’i Môizy sy i Aarôna.


Niala tao Ramsesa tamin’ny volana voalohany izy, tamin’ny andro faha-15n’ny volana voalohany. Ny ampitson’ny Paka dia tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely teo imason’ny Ejiptianina rehetra.


Lalana iraika ambin’ny folo andro i Kadesa-Barne, raha avy eo Horeba ka mihazo ny lalana amin’ny tendrombohitra Seira.


Hoy i Iaveh tamiko: «Mitsangàna; aoka ianao hialoha lalana ny vahoaka, aoka izy hiditra sy haka ho azy ny tany efa nianianako tamin’ny razana homena azy ireo.»