Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 32:5 - Baiboly Katolika

ka hoy izy nanampy teny hoe: «Raha nahita fitia teo imasonao izahay, dia aoka io tany io no homenao ho zarataninay mpanomponao, fa aza dia ampitaina any Jordany izahay.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy koa izy ireo: Raha mahita fitia eo imasonao izahay, aoka homena anay mpanomponao ho zarataninay io tany io; fa aza ampitaina an’i Jordana izahay.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hoy koa ny Reobenita sy ny Gadita hoe: –Raha ekenao ihany ny soso-kevitray, ry Mosesy, dia aoka io tany io mba homena anay ho zarataninay, fa aza entina mita an’i Jôrdàna izahay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hoy koa ny Reobenita sy ny Gadita hoe: –Raha ekenao ihany ny soso-kevitray, ry Mosesy, dia aoka io tany io mba homena anay ho zarataninay, fa aza entina mita an’i Jôrdàna izahay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io tany io; fa aza ampitaina an’i Jordana izahay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io tany io; fa aza ampitaina an'i Jordana izahay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy koa izy ireo: Raha mahita fitia eo imasonao izahay, aoka homena anay mpanomponao ho zarataninay io tany io; fa aza ampitaina an’i Jordana izahay.

Jereo ny toko



Nomery 32:5
11 Rohy Ifampitohizana  

ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin’ny mpanomponao ianao, tamin’ny namelomanao ny aiko; nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana, ka ho faty.


Lavo niankohoka tamin’ny tany i Jôaba, dia nisaotra ny mpanjaka, dia hoy i Jôaba: «Fantatry ny mpanomponao anio fa nahita fitia teo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, fa araka ny tenin’ny mpanompony no ataon’ny mpanjaka.»


Izao no lazain’i Iaveh: Nahita fitia tany an’efitra ny vahoaka afaka tamin’ny sabatra; ta-hanome fitsaharana an’i Israely aho.


izay tany nofaizin’i Iaveh teo anoloan’ny fiangonan’i Israely dia tany tsara ho fiandrasana biby fiompy; ary ny mpanomponao be biby fiompy»,


Fa izao no navalin’i Môizy ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena: «Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa va hijanona eto?


Ianareo ihany koa, no nitezeran’i Iaveh ahy, ka nanaovany hoe: Ianao koa tsy hiditra any;


Ary hoy i Jôsoe: «Andray, ry Iaveh Tompo ô, nahoana re no dia nampitainao an’i Jordany ity vahoaka ity, hanoloranao anay eo an-tanan’ny Amôreana, mba handringana anay? Inay anie izahay mba nahay nipetraka tany an-dafin’i Jordany ihany.


Tamin’izay dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin’ny tany, ka nanao taminy hoe: «Inona no mba nahitako fitia teo imasonao, ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny?»


Fa namaly tamim-pianianana i Davida nanao hoe: «Fantatry ny rainao marimarina, fa nahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr’i Jônatasy izany, fandrao malahelo izy. Kanefa toy ny mahavelona an’i Iaveh sy ny mahavelona ny ainao dia marina raha tsy iray dia monja no elanelako amin’ny fahafatesana!»