Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 32:16 - Baiboly Katolika

Dia nanakaiky an’i Môizy izy ireo, ka nanao hoe: «Hanao vala ho an’ny biby fiompinay eto izahay, sy tanàna ho an’ny zanakay madinika,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanatona azy izy ireo ka niteny hoe: Hanao vala eto izahay ho an’ny omby aman’ondrinay ary tanàna ho an’ny zanakay madinika;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nanatona an’i Mosesy ny Reobenita sy ny Gadita ka nanao taminy hoe: –Hanao vala ho an’ny biby fiompy sy tanàna ho an’ny fianankavianay eto izahay;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nanatona an’i Mosesy ny Reobenita sy ny Gadita ka nanao taminy hoe: –Hanao vala ho an’ny biby fiompy sy tanàna ho an’ny fianankavianay eto izahay;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary dia nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an’ny omby aman-ondrinay sy tanàna koa ho an’ny zanakay madinika;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary dia nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an'ny omby aman'ondrinay sy tanàna koa ho an'ny zanakay madinika;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanatona azy izy ireo ka niteny hoe: Hanao vala eto izahay ho an’ny omby aman’ondrinay ary tanàna ho an’ny zanakay madinika;

Jereo ny toko



Nomery 32:16
7 Rohy Ifampitohizana  

I Jakôba kosa nankao Sokôta, dia nanao trano ho azy sy nanao trano tomboka ho an’ny biby fiompiny koa. Izany no nanaovana ny anaran’io tany io hoe Sokôta.


I Isakara dia ampondra tomady, Mandry eo anatin’ny valany;


Fa raha mandà tsy hanaraka Azy ianareo, dia mbola avelany atỳ an’efitra i Israely, ka dia ianareo no ho fototry ny fandringanana izao vahoaka rehetra izao.»


fa ny tenanay kosa dia vonon-kiady faingana handroso eo alohan’ny zanak’i Israely, mandra-pampiditray azy any amin’ny tany izay tsy maintsy hitoerany; fa ny zanakay no hitoetra amin’ny tanàna mimanda, noho ny amin’ny mponina amin’ny tany.


Boksỳ izay filohany, zanak’i Jôglỳ amin’ny fokon’ny zanak’i Dana.


Fa ny vadinareo ihany sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo, fantatro fa manana biby fiompy betsaka ianareo, no hijanona amin’ny tanàna nomeko anareo;


Nifidy ny voalohan-tany ho azy izy; fa anjara-mpifehy no voaafina ao, ary nandroso nialoha lalana ny vahoaka, nanatanteraka ny fahamarinan’i Iaveh izy sy ny fitsaràny, niaraka tamin’i Israely».