Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 30:9 - Baiboly Katolika

Fa raha lavin’ny lahy kosa ny nataon-dravehivavy amin’ny andro nandrenesany an’izany, dia foana ny voady maningotra azy sy ny teny tsy voahevitra naloaky ny vavany namehezany ny tenany, ary i Iaveh hamela azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin’ny andro nandrenesany azy niteny dia hofoanan-dRalehilahy ny voady izay noteneniny sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany tena; ary NY TOMPO hamela ny helony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa raha mandà kosa ny lahy amin’ny andro andrenesany izany, dia foana avokoa ny voady sy ny fianianam-poana nataon’ny vavy; ary hamela azy ny TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa raha mandà kosa ny lahy amin’ny andro andrenesany izany, dia foana avokoa ny voady sy ny fianianam-poana nataon’ny vavy; ary hamela azy ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin’ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin’ny andro nandrenesany azy niteny dia hofoanan-dRalehilahy ny voady izay noteneniny sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany tena; ary NY TOMPO hamela ny helony.

Jereo ny toko



Nomery 30:9
6 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hanambady vehivavy janga na efa afa-baraka izy; tsy hanambady vehivavy efa voasaotran’ny lahy, fa masina ho an’ny Andriamaniny ny mpisorona.


Ny voady nataon’ny vehivavy maty vady na voasaotra, izay famehezan-tena rehetra namehezany ny tenany, dia raikitra ho azy.


ary ren’ny lahy izany, nefa tsy miteniteny aminy momba izany izy: amin’ny andro andrenesany an’izany, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.


ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny Tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana.


Ohatra: ny vehivavy manam-bady dia fehezin’ny lalàna ho an’ny lahy raha mbola velona ny lahy: fa afaka amin’ny lalàn’ny lahy kosa izy rehefa maty ny lahy.


Ary rehefa niala tao aminy izy, dia handeha ka afaka manambady olon-kafa.