Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 30:6 - Baiboly Katolika

Fa raha mandà izany irainy amin’ny andro andrenesany an’izany, dia foana avokoa ny voady rehetra sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany, ary i Iaveh hamela azy, satria nandà izany irainy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha nandrara azy ny rainy tamin’ny andro nandrenesany dia tsy manan-kery ny voadiny na izay namehezany tena; ary NY TOMPO hamela ny helony satria nandrara azy ny rainy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa raha mandà kosa ny rainy amin’ny andro andrenesany izany, dia tsy manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony. Hamela an’ilay tovovavy ny TOMPO, satria efa nandà izany ny rainy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa raha mandà kosa ny rainy amin’ny andro andrenesany izany, dia tsy manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony. Hamela an’ilay tovovavy ny TOMPO, satria efa nandà izany ny rainy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha nandrara azy rainy tamin’ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha nandrara azy rainy tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha nandrara azy ny rainy tamin’ny andro nandrenesany dia tsy manan-kery ny voadiny na izay namehezany tena; ary NY TOMPO hamela ny helony satria nandrara azy ny rainy.

Jereo ny toko



Nomery 30:6
6 Rohy Ifampitohizana  

Andriamanitra no itokiako, ka tsy matahotra na inona na inona aho. Inona no ho efan’izay olona foana amiko?


Ary raha nanatitra emboka manitra sy nandraraka fanatitra araraka ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra izahay, moa takona ny vadinay va ny nanaovanay mofomamy manambara azy, sy nandrarahanay fanatitra araraka ho azy?»


Raha misy olona latsa-bava, mianiana hanao soa na ratsy, na inona na inona voalazany amim-pianianana tsy voahevitra, nefa tsy nahafantatra izany izy, fa atỳ aoriana vao fantany, dia mahazo fahotana izy amin’ny iray amin’ireo zavatra ireo.


ary ren-drainy ny voady amam-pamehezan-tena nataony, nefa tsy niteniteny taminy ny rainy, dia ho raikitra ny voady rehetra nataony sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.


Ary raha hampakarina izy ka efa voasingotry ny voadiny na ny teny tsy voahevitra naloaky ny vavany izay namehezany ny tenany,


ary nivoady izy, nanao hoe: «Iavehn’ny tafika ô, raha mba mitsinjo ny fahorian’ny ankizivavinao Ianao, raha mahatsiaro ahy ka tsy manadino ny ankizivavinao, ka manome zazalahy ny ankizivavinao, dia homeko ho an’i Iaveh izy, amin’ny andro iainany rehetra, ary tsy ho kasihin-kareza ny lohany.»