Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona; ary ny fahalalana an’Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana.
Nomery 30:5 - Baiboly Katolika ary ren-drainy ny voady amam-pamehezan-tena nataony, nefa tsy niteniteny taminy ny rainy, dia ho raikitra ny voady rehetra nataony sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka ren’ilay rainy ny voadiny sy ny namehezany tena hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia manan-kery ny voadiny sy izay fatotra namehezany tena, na inona na inona izany. DIEM PROTESTANTA Raha ren-drainy izany voady na fianianana izany, nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataon’ilay tovovavy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha ren-drainy izany voady na fianianana izany, nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataon’ilay tovovavy. Baiboly Protestanta Malagasy ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny. Malagasy Bible ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny. La Bible en Malgache ka ren’ilay rainy ny voadiny sy ny namehezany tena hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia manan-kery ny voadiny sy izay fatotra namehezany tena, na inona na inona izany. |
Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona; ary ny fahalalana an’Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana.
Raha ao an-tranon’ny lahy no nivoady ny vehivavy nanao famehezan-tena tamim-pianianana namehezany ny tenany,
Raha misy vehivavy mbola zaza an-trano ao amin-drainy mivoady amin’i Iaveh sy manao famehezan-tena,
Fa raha mandà izany irainy amin’ny andro andrenesany an’izany, dia foana avokoa ny voady rehetra sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany, ary i Iaveh hamela azy, satria nandà izany irainy.
ary ren’ny lahy izany, nefa tsy miteniteny aminy momba izany izy: amin’ny andro andrenesany an’izany, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.