Ho varahina avokoa ny fanaka rehetra hampiasaina amin’ny raharahan’ny Fonenana, ny tsimatra rehetra ao aminy ary ny tsimatry ny kianja.»
Nomery 3:37 - Baiboly Katolika ny andry manodidina amin’ny kianja, ny faladiany, ny tsîmany, ary ny kofehiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ireo andrin’ny kianja manodidina sy ny faladiany, ny tsatòkan-day ary ny kofehy momba azy. DIEM PROTESTANTA Mbola izy ireo koa no niandraikitra ny andry manodidina ny kianja masina mbamin’ny faladiany sy ny tsatòka ary ny tady. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mbola izy ireo koa no niandraikitra ny andry manodidina ny kianja masina mbamin’ny faladiany sy ny tsatòka ary ny tady. Baiboly Protestanta Malagasy ary ny tsangantsangan’ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny. Malagasy Bible ary ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny. La Bible en Malgache ireo andrin’ny kianja manodidina sy ny faladiany, ny tsatòkan-day ary ny kofehy momba azy. |
Ho varahina avokoa ny fanaka rehetra hampiasaina amin’ny raharahan’ny Fonenana, ny tsimatra rehetra ao aminy ary ny tsimatry ny kianja.»
Napetraka tamin’ny zanaka lahin’i Merarỳ ny fitandremana amam-pikarakarana ny hazo fisaka amin’ny Fonenana, ny barany, ny andriny mbamin’ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, mbamin’ny zavatra rehetra ilaina aminy,
I Môizy sy i Aarôna mbamin’ny zanany no nitoby eo anoloan’ny Fonenana, eo atsinanana, eo anatrehan’ny trano lay fihaonana, amin’ny lafiny iposahan’ny masoandro; izy ireo no niadidy ny fiambenana ny fitoerana masina, araka izay tokony hotandreman’ny zanak’i Israely rehetra; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia tsy maintsy hohelohin-ko faty.