Nomery 3:27 - Baiboly Katolika Ny avy amin’i Kaata dia ny fokon’ny Amramita, ny fokon’ny Jesaarita, ny fokon’ny Hebrônita, ary ny fokon’ny Azielita: ireo no fokon’ny Kaatita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Avy tamin’i Kehata, ny fianakavian’ny Amramita, ny fianakavian’ny Jizarita, ny fianakavian’ny Hebronita ary ny fianakavian’ny Ozielita; ireo no fianakavian’ny Kehatita. DIEM PROTESTANTA I Kehata no razan’ny Kehatita izay misy tarika efatra, dia ny Hamramita sy ny Jitseharita ary ny Hebrônita sy ny Hozielita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Kehata no razan’ny Kehatita izay misy tarika efatra, dia ny Hamramita sy ny Jitseharita ary ny Hebrônita sy ny Hozielita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary avy tamin’i Kehata ny fokon’ny Amramita sy ny fokon’ny Jizarita sy ny fokon’ny Hebronita ary ny fokon’ny Ozielita; ireo no fokon’ny Kehatita. Malagasy Bible Ary avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Amramita sy ny fokon'ny Jizarita sy ny fokon'ny Hebronita ary ny fokon'ny Ozielita; ireo no fokon'ny Kehatita. La Bible en Malgache Avy tamin’i Kehata, ny fianakavian’ny Amramita, ny fianakavian’ny Jizarita, ny fianakavian’ny Hebronita ary ny fianakavian’ny Ozielita; ireo no fianakavian’ny Kehatita. |
Tamin’ny Hebrônita, dia i Hasabiasa mbamin’ireo rahalahiny samy lehilahy mahery fo, 1.700 no isany, no nifehy an’i Israely teny an-dafin’i Jordany any andrefana, amin’ny raharaha rehetra momba an’i Iaveh sy ny fanompoana ny mpanjaka.
Hoy izy tamiko: «Ilay efitrano mitodika mianatsimo, dia an’ny mpisorona miadidy ny fanompoana momba ny trano;
ny fefy lamban’ny kianja, sy ny vavahady lamba amin’ny kianja izay manodidina ny Fonenana sy ny ôtely, ary ny kofehy rehetra ilaina aminy.
Tamin’ny nanisana ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra dia 8.600 no isany, izay niandraikitra ny fiambenana ny fitoerana masina.
Isao ny taranak’i Kaata amin’ny taranak’i Levỳ, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy,
ary tanàna 10 tamin’ny fianakaviana, fokon’i Efraima sy fokon’i Dana, ary antsasa-pokon’i Manase, no azon’ny taranak’i Kaata sisa, tamin’ny loka.