Hanao fivoriana masina ianareo amin’ny andro voalohany, ary hanao fivoriana masina amin’ny andro fahafito. Tsy hiasa amin’ireo andro ireo, fa ny mamboa-tsakafo ho anareo tsirairay avy no azonareo atao.
Nomery 28:18 - Baiboly Katolika Amin’ny andro voalohany, dia hisy fivoriana masina; aza manao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina; aza manao raharaha mavesatra. DIEM PROTESTANTA Amin’ny andro voalohany, dia hisy fivoriana masina, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’ny andro voalohany, dia hisy fivoriana masina, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina; aza manao tao-zavatra akory; Malagasy Bible Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana maina; aza manao taozavatra akory; La Bible en Malgache Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina; aza manao raharaha mavesatra. |
Hanao fivoriana masina ianareo amin’ny andro voalohany, ary hanao fivoriana masina amin’ny andro fahafito. Tsy hiasa amin’ireo andro ireo, fa ny mamboa-tsakafo ho anareo tsirairay avy no azonareo atao.
Amin’ny andro fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo.»
«Amin’ny andron’ny voaloham-bokatra, rehefa hanolotra fanatitra avy amin’ny vokatra vaovao ho an’i Iaveh ianareo, amin’ny fetin’ny Herinandro hataonareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.