Nomery 27:2 - Baiboly Katolika Teo anatrehan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, ary ny lohan’ny fiangonana rehetra izy ireo; teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ka nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izy ireo dia nitsangana teo anatrehan’i Mosesy sy teo anatrehan’i Eleazara mpisorona ary teo anatrehan’ireo lohan’ny fiangonana sy ny fiangonana manontolo, teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ka niteny hoe: DIEM PROTESTANTA Niseho tamin’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny tompon’andraikitra sy ny fiangonana manontolo teo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana izy ireo, ka nanao hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niseho tamin’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny tompon’andraikitra sy ny fiangonana manontolo teo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana izy ireo, ka nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy dia nitsangana teo anatrehan’i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe: Malagasy Bible dia nitsangana teo anatrehan'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe: La Bible en Malgache Izy ireo dia nitsangana teo anatrehan’i Mosesy sy teo anatrehan’i Eleazara mpisorona ary teo anatrehan’ireo lohan’ny fiangonana sy ny fiangonana manontolo, teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* ka niteny hoe: |
Tamin’izay tonga ny zanakavavin’i Salfaada, zanak’i Hefera, zanak’i Galaada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy amin’ny fokon’i Manase zanak’i Josefa; ny anaran’izy ireo dia izao: Maalà, Nôà, Heglà, ary Tersà.
Izy hankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona izay hanadina amin’ny fitsaràn’ny Orima ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, ka araka ny teniny no hivoahan’i Jôsoe, araka ny teniny no hidirany, dia i Jôsoe, ny zanak’i Israely rehetra miaraka aminy, ary ny fiangonana rehetra. Hitarika azy hivoaka sy hiditra, hitondra sy hifehy azy.
«Maty tany an’efitra ny rainay; izy tsy mba anatin’ilay antokony, izay niray tetika hiodina amin’i Iaveh, dia ny antokon’i Kôre, fa maty noho ny fahotany izy, ary tsy mba nanan-janakalahy izy.
Nanatona niteny teo anatrehan’i Môizy sy teo anatrehan’ny lehibe, lohan’ny fokom-pianakavian’ny zanak’i Israely, ny loham-pianakavian’i Galaada, zanak’i Makira zanak’i Manase zanak’i Josefa. Hoy izy ireo hoe:
Nisy olona sasany sendra voaloto tamim-paty ka tsy afa-nanao ny Paka tamin’izany andro izany. Nankeo anatrehan’i Môizy sy i Aarôna androtr’izay ihany izy ireo, ka nanao tamin’i Môizy hoe: